Hymne n° 1
Handeha an-kafaliana
Fihirana Hasina p. 143
🎵 Fa majeur 📂 Fidirana
MG
✦ ✦ ✦
Handeha an-kafaliana hanatrika an'Andriamanitra aho e Any an-tendrombohitra masina, Ny tebitebin-tsaiko, ny ahiahim-poko e, ny hadisoako e Tsy mahasakana ahy tsy hanatona anao, Tompo ô. (Eks. 3,7-14) 1 Hitako ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta, Henoko ny sentosento sy ny tarainany; Ka irahiko ianao mba handeha hanafaka azy e, Fa homba anao hatrany hatrany anie aho. 2 Eny, ry Tompo, fa iza moa no anaranao? Ary omeo famantarana aho fa irakao, Tsotra dia tsotra ny anarako, hoy ny Tompo e: "Andriamanitra velona" hoe no naniraka anao. (Rm. 8, 14-17)