Hymn'All › Litorjia 25/10/2026 › Ampio izahay ry Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay
Hymne n° 10

Ampio izahay ry Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay

Fihirana Hasina

🎵 Fa majeur 📂 Ranom-bavaka MG
✦ ✦ ✦

Ry kristianina havana, ny lalàna fitiavana andidian’ny Evanjely antsika dia toa mora arahina indrindra amin’ny samy lalàna; nefa lalàna lavorary sady lalina tokoa. Koa akambano ny vavaka ataontsika mba ho ny fitiavana araka an’Andriamanitra no ho vy miaina hanentana ny olombelona rehetra eo amin’ny fiaraha-monina. Ampio izahay ry Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay * Raha tena iainan’ny kristianina rehetra eran’izao tontolo izao ny Didim-pitiavana, dia hirohotra ho ao amin’ny Eglizy ny olombelona: koa angataho mba hanjaka eo amintsika ny fitiavana. * Mivavaha amin’Andriamanitra ho an’ireo mpitondra Vahoaka: mba ho fitiavana mandrakariva no hanentana azy, ary ho fitiavana hatrany koa no hanapahany hevitra. * Ny Eglizy tsy mitsahatra manangana fikambanana mpanasoa: koa mivavaha ho an’ireo mpiandraikitra mba ho be fitiavana sy fatra-panaja ireo soaviny izy rehetra. * Manomboka mamboly izao aty amintsika; fa any amin’ny lafy valon’ny tany any; ao ny mioty sy mijinja, ao ny efa mahaangona an-tsompitra; koa mivavaha mba hoenti-manasoa ny be sy ny maro araka ny hevitr’Andriamanitra ny vokatra azo rehetra. * Arakaraka ny ahitan’ny olona fa miray hina sy mifankatia marina isika iray fiangonana, no hitaran’ny Fanjakan’Andriamanitra; koa mivavaha

← Retour à Litorjia 25/10/2026