Hymne n° 19
Aterinay anatrehanao Reny
Fihirana Hasina p. 80
🎵 Do majeur 📂 Fanirahana
✦ ✦ ✦
1 Aterinay anatrehanao, Reny, Ny saotra ataon'ny fonay aminao: Arovinao izahay mbola osa Fa mandry izay miankina aminao. Raha izahay sendra mivily lalana, Ka hosimbàn'ny tafik'i Satàna: Reny miantra, atreho izahay e, ) Ny tananao no mahafaka anay. ) (indroa) Tompovavin'ny Malagasy, Mamindrà fo aminay zanaka, Ianao no tsaroanay ao am-ponay, Amin'ny andro ratsinay: Mba vonjeo 'zahay, Virjiny, Reny mora fo sy miantra, Virjiny miantra.