Vakiteny voalohany - Boky Eksaody
Eks. 22, 21-27
Izao no nolazain’ny Tompo: “Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianao. Aza manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty; fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao, dia hitaraina amiko izy, ka hohenoiko ny fitarainany; hirehitra ny hatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo; ary ny vadinareo ho mpitondra tena, ny zanakareo ho kamboty. Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao, amin’ny mahantra eo aminao, aza mitsangan-ko mpanàna vola aminy, aza maka zana-bola aminy. Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro, fa iny no hany firakofany, iny no fitafiany anaronany ny vatany, ka inona àry no hoentiny mandry? Raha mitaraina amiko izy, hohenoiko ny fitarainany, fa antra olona Aho”. — Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!