Hymn'All › Litorjia 25/10/2026 › Vakiteny faharoa - Tesalonisiana I
Hymne n° 6

Vakiteny faharoa - Tesalonisiana I

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

MG
📖 1 Tes. 1, 5d-10
✦ ✦ ✦

Ry kristianina havana, fantatrareo izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo. Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo, ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra any Masedônia sy Akaia kosa indray. Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo, fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho aty aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra izay natsangany ho velona, dia i Jesoa izay nanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy. — Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

← Retour à Litorjia 25/10/2026