Hymne n° 8
Evanjely
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio
MG
📖 Mt. 22, 34-40
✦ ✦ ✦
Tamin’izany andro izany, nony ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe: “Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin’izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany”. — Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!