Hymne n° 1
Kristy velona
Fihirana Hasina p. 33
🎵 Sol majeur 📂 Fidirana
MG
✦ ✦ ✦
Kristy velona, Kristy Zanaka, no arahintsika, fa Mpamonjy antsika. Izy no fiainana. 1- Raha te-ho velona, aoka hanatona Azy I Kristy no Aina velona ao amin'ny Ray. 2- Raha te-hifankatia, aoka hanatona Azy I Kristy no Zoky samy Zanaky ny Ray. 3- Raha te-ho sambatra, aoka hanatona Azy I Kristy no Làlana miakatra ao an-danitra ao.