Hymne n° 3
Voninahitra (Zanaharinay mahery)
Fihirana Hasina p. 747
🎵 Fa majeur 📂 Voninahitra
MG
✦ ✦ ✦
Voninahitra ho an'Andriamanitra Any amin'ny avo indrindra Ary fiadanana ho an'ny olona Etý ambonin'ny tany. Zanaharinay e mahery e Lolohavinay e e An-tampon'ny loha a! a! 1 Midera anao, mankalaza anao izahay e, Mitsaoka anao, mihoby anao izahay; Misaotra anao eram-po eran-tsaina e, Andriamanitra Mpanjakanay e. 2 Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra e, Ry Tompo Andriamanitray e: Manala ny fahotan'ny olo jiaby e, Afaho ny helokay e. 3 Anao zaraiky no anabo indrindra, Ry Tompo Andriamanitray; Haja ndraiky voninahitra e, Ninao jiaby mandrakizay e.