Averina eto indray
Fihirana Hasina p. 158
Averina eto indray ny toky napetratsika ; Mandà an' i Satàna va ianareo ? Mandà ! Ny asany rehetra mamoafady ? Mandà ! Ny fireharehany manaraka azy ? Mandà ! Mandà va ianareo ? Mandà, mandà, mandà izahay (indroa) 1. Moa mino an'Andriamanitra Ray mahefa a Ny zavatra rehetra Na miaina na tsy miaina, Ny lanitra sy ny tany, Na ny hita maso na ny tsy hita va ianareo a ? Zahay miaiky sy mankatò, fa tena marina tokoa, Marina e, marina a, Marina a, marina a, ka mino izahay. (indroa) 2. Moa mino an'i Jesoa Tompo Zanak'Andriamanitra a 'Zay teraka sy nijaly, Nitsangana tamin'ny maty, Niakatra any an-danitra, Fa mbola ho avy hitsara antsika va ianareo a ? 3. Moa mino ny Fanahy Masina sy ny Eglizy a, Ny fiombonan'ny Olomasina, Ny fanalana ny ota, Ny fitsanganana amin'ny maty Ary ny fiainana any an-koatra va ianareo a ?