Hymn'AllLitorjia 26/04/2026 › Indro atolotray aminao ry Tompo
Hymne n° 8

Indro atolotray aminao ry Tompo

Fihirana Hasina p. 768

🎵 Do majeur 📂 Fanolorana MG
✦ ✦ ✦

1- Indro atolotray Aminao ry Tompo ô ô, Ny fanatitra avy aminay e. Raiso re raha sitrakao, ry Tompo ô ô Fa tantely tapa-bata e. Ny fiainanay , eny re, tsy takona afenina Aminao Ny adim-piainanay, eny re, hitanao ry Zanahary Ka dia entinay tsisy afeninay, Eo an-tananao re ry Ray ô Zay mba vitanay, ny hasasaranay Enti-misaotra Anao re ry Tompo ô. Indro atolotray re ry Ray ô Raiso eo an-tananao izy ireto Aza ny hakelezany Ray ô Fa ny fitiavana asandratray e e! Eny re! Amin-karavoana no anolorana azy Amin-karavoana tokoa tokoa no anolorana azy Amin-kafaliana, sy amim-pitsikiana Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana no anolorana azy

← Retour à Litorjia 26/04/2026