Hymne n° 17
I Iaveh no mpiandry ahy
Fihirana Hasina p. 185
🎵 Sol majeur 📂 Komonio
MG
✦ ✦ ✦
I Iaveh no mpiandry ahy Inona moa no hahatahotra ahy ? Isan’andro vaky tantanany aho Ho any am-paradisany Izy no Ray mivimbina ny aiko, Sy manome hasoavan-dehibe : Jesoa Kristy no tena mofon’aina, Ka omeny ahy ho fihinako. Ho sasa-poana izay mialona ahy, F’izaho anie arovan’i Iaveh : Jesoa Kristy no tena famonjena, Ka ny sitrapony tanterahiko. Indraindray ny fiainana eto an-tany Toa maizim-be, toa rako-drahona : Jesoa Kristy no tena hazavana, Ka omeny ahy ny faniloko.