Hymn'AllLitorjia 26/04/2026 › Ry Renin'Andriamanitra ô
Hymne n° 18

Ry Renin'Andriamanitra ô

Fihirana Hasina p. 85

🎵 Do majeur 📂 Fanirahana
✦ ✦ ✦

1- Ry Renin'Andriamanitra ô, midera anao 'zahay e Fa Izy 'lay Mahefa ka nahary ny tontolo e, Namolavola vatana natokany ho anao e, Hiteraka ny zanak'Andriamanitra rehetra. Eny Ry Maria ô, ry Eva vaovao, Natokan'Andriamanitra ho reninay ianao e Ny fony be fitiavana nafindrany aminao e Ka nentiny hanasoavana an'izao tontolo izao. 2- Ry Renin'Andriamanitra ô, midera anao 'zahay e, Fa Izy 'lay nifantina ny razanao fahiny e; Nanoro anao mba hino 'zay voalaza taminao e, Ka hino koa ny zanak'Andriamanitra rehetra !

← Retour à Litorjia 26/04/2026