Hymn'AllYMC GOSPEL Madagascar › Andriamanitry ny famindram-po
Hymne n° 3

Andriamanitry ny famindram-po

tononkira.serasera.org

YMC Gospel MG
✦ ✦ ✦

PRELUDIUM : Fa Andriamanitry ny famelan-keloka hianao ka mamindra fo, miantra, mahari-po sady be famindram-po, ary tsy mahafoy anay Hianao (Neh 9 ;17) Miaina izany famindram-ponao izany isan’andro, Ka feno fisaorana, feno fankalazana Tsy feno ny fiainanay raha tsy misy anao Andrimanitra ô Dia mankasitraka, Misaotra! 1) Jehovah Andrimanitra , izaho miantso anao (Izaho ilay mpanota notahianao e e) Maro dia maro ny ota natao (Saika efa maty fa nalainao e e !) Niaina tanatin’ny loto isan’andro (Izaho ilay mpanota notahianao e e) Raha tsisy Anao tsy nahita Masoandro ô ! (Saika efa maty fa nalainao e e !) X2 REF : Miaina amin’ny famindram-ponao isan’andro Hianao no Andriamanitra, be fahasoavana Tsy feno ny fiainako raha tsisy anao e, Mpamela heloka, feno fitiavana 2) Jehovah Andriamanitra , misaotra anao e ! (Izaho ilay mpanota notahianao e e) Izaho ilay nihodina fa tsy nahalala (Saika efa maty fa nalainao e e !) Nandà tsy nety nanaraka anao, mifona e ! (Izaho ilay mpanota notahianao e e) Ny saiko taloha tsy nahalala ny tsara e, Zanaka adala e ! (Saika efa maty fa nalainao e e !) REF: ... Be fahasoavana e!

← Retour à YMC GOSPEL Madagascar