Hymn'AllYMC GOSPEL Madagascar › HO AIZA IZAHAY
Hymne n° 6

HO AIZA IZAHAY

tononkira.serasera.org

YMC Gospel MG
✦ ✦ ✦
1

Namely anay mafy ny tafio-drivotra e Tsy zaka ihany koa ny hetraketrak’ilay ratsy Kanefa Tompo ô tsapanay fa teo Ianao Nihazona anay ka nahatoy izao

2

Ho aiza moa ‘zahay, Tompo ô? Ho aiza moa ‘zahay, raha tsy eo aminao? Ho aiza moa ‘zahay, Tompo ô? Fa Ianao, no Mpamonjy anay.

3

Namaky lalan-tsarotra ny fiainanay ety Malama sy mideza mila hampikolay Matetika no kivy ka solafaka indraindray Avia Tompo ô, tantano izahay

← Retour à YMC GOSPEL Madagascar