Hymne n° 6
HO AIZA IZAHAY
tononkira.serasera.org
✍ YMC Gospel MG
✦ ✦ ✦
1
Namely anay mafy ny tafio-drivotra e Tsy zaka ihany koa ny hetraketrak’ilay ratsy Kanefa Tompo ô tsapanay fa teo Ianao Nihazona anay ka nahatoy izao
2
Ho aiza moa ‘zahay, Tompo ô? Ho aiza moa ‘zahay, raha tsy eo aminao? Ho aiza moa ‘zahay, Tompo ô? Fa Ianao, no Mpamonjy anay.
3
Namaky lalan-tsarotra ny fiainanay ety Malama sy mideza mila hampikolay Matetika no kivy ka solafaka indraindray Avia Tompo ô, tantano izahay