Hymn'AllYMC GOSPEL Madagascar › IZAHO JESOSY Ô
Hymne n° 7

IZAHO JESOSY Ô

tononkira.serasera.org

YMC Gospel MG
✦ ✦ ✦
1

1.Izaho Jesosy ô, izaho maniry Maniry hanaraka Anao, mba hitoeranao, ho Anao Izaho dia maniry ny mba ho isan'ny Anao Na aiza na aiza aleha.

2

Izaho Jesosy ô, izaho maniry Maniry ny mba ho akaikinao tsy lavitra Anao Na dia tsy mendrika ny hiantso ny Anaranao akory aza aho Inty aho, raiso aho ka hanjakao.

3

Ianao hanaisotra ny zioga 'zay mangeja Ianao hanadio amin'ota rehetra Ami'lay Rànao nalatsakao ho famonjena 'Zao tontolo izao, fa fitiavana Ianao.

4

Na faly aho na ory, na tomany, rera-tsaina Na hamirifiry aza ny ririniko Ny manana Anao dia manan-kantenaina Ireo tebiteby hisinda avokoa Ireo tebitebiko hisinda avokoa

5

2. Izaho Jesosy ô, izaho maniry Maniry ho mpanomponao, hanao ny asanao, ho Anao Izaho dia maniry ny hanao 'zay sitrakao Na aiza na aiza aleha.

6

Izaho Jesosy ô, 'zao no faniriko: Ny androko sisa apetrako eo an-tananao Ka n'inon'inona sedra mandalo ami'zao fiainana izao Ampy ho ahy ny Fahasoavanao

7

Ianao hanaisotra ny zioga 'zay mangeja Ianao hanadio amin'ota rehetra Ami'lay Rànao nalatsakao ho famonjena 'Zao tontolo izao, fa fitiavana Ianao.

8

Ka amin'ny andro hiverenanao indray Amin'andro farany 'zay tsy ho fantatray Maniry aho Jesosy ô hahazo fandresena Na maso hahita ny fiandriananao Ny masoko hahita ny fiandriananao.

9

Tonony sy feony: Eugène Aimé RAMANANKORAISINA

← Retour à YMC GOSPEL Madagascar