Hymn'AllYMC GOSPEL Madagascar › TOY NY VONINKAZO
Hymne n° 10

TOY NY VONINKAZO

tononkira.serasera.org

YMC Gospel MG
✦ ✦ ✦
1

1. Na manimpofona sy tsara-bika aza ny voninkazo, ‘Zay miloko marevaka mahasondriana dia kanto tokoa, Fa na ho ela na ho haingana anefa izy ireny dia tsy maintsy mbola halazo, Ka ho tontan’ny ela hihintsana ho maina ho lo. Fa tsy misy maharitra eto, ka diniho sy eritrereto, Na ny hery na tanjaka harena, fahantrana ary koa volamena, Na tolokon’ireo voatsindry hazolena, na ny ferin’ainan’ireo osa sy ireo mosarena, Na izaho na ianao anie dia mandalo miserana ihany, amin’ty tany mamy 'zay fandalovana ihany Na izaho na ianao dia samy mikatsak’ilay Paradisa, samy te handova iry lanitra iry, ka andeha hifankatia, dieny mbola ety, zay ny didy vaovao, tiana hambara aminao an…an… dieny mbola ety dieny mbola ety, *Zay no didy vaovao tiana hambara aminao.

2

2. Na dia manjombona sy malok’ila aza re 'zany andro, Irony lanitra ambony dia tandrifin-drahona ka aiza moa, Dia tsarovy fa mbola hiposaka sy hibaliaka indray ilay masoandro, Ka hamonto hazavana ny voary tsy hamoy fo, Toy izany ny fiainana eto, indraindray aza dia mampisento, Raha mifaly ianao androany, rahampitso dia mety tomany Dia mivadibadika toy izany foana ‘ty fiainana an-tany ka tsy misy fanafany izany Fa ny fanantenana azo hianteherana tokana ihany amin’ty tany mamy, 'zay fandalovana ihany, Dia ilay tsy miova omaly anio sy ho mandrakizay (mandrakizay) Dia Jesosy Tompo Mpamonjy anao Tadiavo Jeso Dieny mbola ety Raiso anio Jeso fa anio no andro mety an…an… Tadiavo Jeso dieny mbola ety Raiso anio Jeso Fa tsy ho neninao.

3

3. Izy nibaby nivesatra ny otatsika rehetra, Izy niaritra latsa sy eso ny kapoka namaivay , Ka namoy ny ainy ho sorona velona maty ho antsika rehetra, Fa nitsangana indray ho velona mandrakizay, ‘Lay fitiavany tsy manampetra nozinarany ho an’ny rehetra Ka na iza na iza eto an-tany tsisy ho very anjara am’izany Tsy mifidy fiodirana, foko, saranga na koa fihaviana Na ny manana na ny mahantra, Fa ny fo ’zay mibebaka sy manaiky ny Tompo ho Tompo amin’ty tany mamy 'zay fandalovana ihany, No handova ny lanitra sy handova ilay Paradisa Nampanantenaina sy ho mandrakizay Mibebaha ianareo Fa ho avy Jeso Miomana ianareo fa ho avy Jesosy an…an… Mibebaha ianareo Fa ho avy Jeso Miomana ianareo fa ho avy Jeso!

4

Tonony sy feony: Eugène Aimé RAMANANKORAISINA

← Retour à YMC GOSPEL Madagascar